IMG_20201217_124350

FANOFANANA TENY ANIVON’NY ONIVERSITE : NIFARANA TENY ANKATSO NY ANDIANY TAMIN’ITY TAONA ITY

Tao aorinan’i Toliara sy Fianarantsoa dia anjaran’ny mpianatra teny amin’ny anjerimanontolo eto Antananarivo indray no nisitraka ny fanofanana momba ny antana-tohatra tsy maintsy lalovana amin’ny famolavolana ny Tetibolam-panjakana. Androany 17 desambra 2020, tao amin’ny “Amphi DEGS” teny Ankatso no nanaovana izany. Mpianatra manodidina ny 270 no tonga nanatrika izany. Avy amin’ny sampam-pampianarana Toekarena, Lalàna, Fandalinana Fiarahamonina, ireo mpianatra ireo izay ao amin’ny M1 no ankamaroan’izy ireo. Fiaraha-miasa eo amin’ny Foibem-pitondrana Ankapobe misahana ny Fitantanam-bola sy ny Raharaha Ankapobeny (DGFAG) eo anivon’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola (MEF) ary ny oniversite enina manerana ny Nosy moa no tena nahafahana nanatanteraka izany. Amin’ny alalan’ity fampiofanana ity moa dia efa mizatra miandàlana ny amin’ny asany any aorina sahady ireto mpianatra ireto.

Anisan’ny fanontaniana napetraky ny mpianatra nandritra ny fihaonana tamin’ny tomponandraikitra eto anivon’ny DGFAG ny mikasika ny vola efa voasoratra tao anatin’ny Lalàna mifehy ny Tetibolam-panjakana (LFI) nefa tsy nampiasaina. Tao ihany koa ny mety ho tsy fifandrohizan’ny sora-bola na fampiasam-bola eo amin’ny fitantanam-bolam-panjakana, ary ny mety ho fampiharana ny tetibola manoloana ny fihatrehana ny ady amin’ny covid-19. Araka ny fanazavana nomen’ny mpampiofana dia tsy maintsy niova ny laharam-pamehana rehefa tonga ny Covid-19. Vokatr’izay dia nisy ny Lalàna mifehy ny Tetibolam-panjakana Nasiam-panitsiana (LFR) tamin’ny volana jolay lasa teo, ary lasa nifanaraka tamin’iny ady natao tamin’iny valanaretina iny ny voarakitry ny tetibola. Voatery napetraka ny drafitra ho an’ny raharaha maika.

Mikasika ny “déficit budgétaire” kosa izay nahaliana ny mpianatra ihany koa dia nanambaran’ny avy ato amin’ny DGFAG fa tsy ho voatery ho ratsy foana ny fisian’ny izany eo amin’ny tetibolam-panjakana. Teo koa ny resaka “Bon du Trésor” sy ny momba ny fampindramam-bola ataon’ny Banky Foiben’i Madagasikara amin’ny fanjakana. Tsy nisy notapenam-bava ireo mpianatra fa samy afaka nametraka izay fanontaniana tiany napetraka avokoa ny rehetra. Nanampy azy ireo tamin’ny fianarana ataony ihany koa moa ity fanofanana ity.

Marihina fa Rajamarison Laza, mpahay toekarena, no nanazava mikasika ny antana-tohatry ny famolavolana ny tetibolam-panjakana. Abelle Smith kosa no niresaka momba ny fampiharana ny tetibola ary Lema Renaud no nitondra ny atsipiriany mikasika ny fangaraharahan’ny tetibola. Ratovonjanahary Aina Zo, Lehiben’ny Sampandraharaha misahana ny Fanavaozana araka ny Lalàna sy ny Fampiofanana kosa no nanampy azy ireo tamin’ny famaliana ny fanontanian’ny mpianatra. Randrianasolo Bruno Mamy, Lehiben’ny Sampandraharaha misahana ny Tetibola eto Analamanga kosa no nanokatra ny fanofanana tamin’ny fomba ofisialy.

Est-ce que cela a été utile?

Tags: No tags

Leave A Comment