Entina hanavaozana ny fitantanana ny volam-panjakana hifototra amin’ny fahaiza-mitantana ka hahatongavana amin’ny tanjon’ny vina ho an’i Madagasikara, dia napetraky ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola (MEF) ny tondrozotra eo amin’izay seha-pitantanana izay. I Rwanda no heverina fa firenena alaina ho modely amin’ny fivoarana ara-toekarena aty Afrika momba io fitantanana io. Izay no nahatonga ny MEF amin’ny alalàn’ny Foibem-pitondrana Ankapobe misahana ny Fitantanam-bola sy ny Raharaha Ankapobeny (DGFAG) nanapa-kevitra fa hiara-hiasa akaiky amin’ity firenena ity mba hahatrarana ny fampiharana ny fahaiza-mitantana izany volam-panjakana izany eto amintsika.
Araka izany dia nisy ny fivoriana ampitain-davitra nanaovana fifanakalozan-kevitra tamin’i Rwanda. Niompana tamin’ny sehatra samihafa toy ny fametrahana ny teti-pivoarana, ny fampiharana ny tetibola, ny fitantanana ireo mpiasam-panjakana, ny karama sy ny fisotroan-dronono, ny fitantanana ireo fananam-panjakana ary ny fitantanana ireo volam-panjakana amin’ny alalan’ny teknolojia.
Tamin’ny 6 jolay lasa teo no nisy an’ity fivoriana ampitain-davitra voalohany ity teo amin’ny DGFAG sy i Rwanda (MINCOFIN, MIFOTRA, RSSB).
Nodinihina tamin’izany:
- Ny dingana tsy maintsy lalovana raha handrafitra ny tetibola, ny fanaraha-maso ny tetibola, ny teti-pivoarana sy ny fanaraha-maso ny fandaniana ny volam-panjakana
- Ny asan’ny « Système Intégré de Gestion Financière »
- Ny fitantanana ny mpiasam-panjakana sy ny fandoavana karama
- Fijerena mikasika ny fisotroan-dononon’i Rwanda (ny fanatanterahana izany, ny lesona azo tsoahina, ny tanjona apetraka sy ny dingana arahina)
Ny dingana manaraka dia hifantoka amina lohahevitra manokana alohan’ny hisian’ny fihaonana mivantana amin’ireo tomponandraikitra any Rwanda. Delegasiona ahitana mpiasa miisa 20 eo anivon’ny Foibem-pitondrana misahana ny Tetibolam-panjakana, ny Foibe-pitondrana misahana ny Fitantanana ny Isan’ny Mpiasam-panjakan, ny Foibem-pitondrana misahana ny Fananam-panjakana, ny Foibem-pitondrana misahana ny Karama sy ny Fisotroan-dronono ary ireo mpikirakira ny informatika eto anivon’ny DGFAG no notsongaina hanatrika izany. Marihina araka izany fa ity fivahinianana ity dia tsy maintsy hitondra vokatra hanatsara hatrany ny fanavaozana ny fitantanana eto amintsika ary ihany koa ho fakana traikefa sy fampiharana momba ireo lohahevitra voalaza etsy ambony ireo.
Leave A Comment