RANAIVOZANANY Jerry Tale misahana ny Tetibola vaovao

Notanterahina androany faha 29 febroary ny fifamindram-pitantanana teo amin’ny Talen’ny Foibem-pitondrana misahana ny Tetibola teo aloha, RAJONSON Finaritra Zaratiana sy ny Tale vaovao, RANAIVOZANANY Jerry izay voatendry tamin’ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly.

 

Teo ambany ny fiahian’ny Sekretera Jeneraly, Ramanampanoarana Andry no natao ny fifamindram-pitantanana arak’asa teo amin’ny roa tonta, teto Antaninarenina, androany. Fifamindram-pitantanana izay notronon’ireo Tale telo mirahalahy ambiny eto anivon’ny DGBF. “Mino aho fa tsy diso safidy ireo Raimandrenibe eto anivon’ny Firenena izay nanendry ny Tale vaovao” hoy Atoa Sekretera Jeneraly nandritry ny lahateniny. Ary manantena ihany koa ny tenany mba hitondra avo hatrany ny hasin’ny fampiroboroboana ny Tetibolam-panjakana ny Tale vaovao. Satria, efa an-taona maro ity farany no nisahana andraikitra samihafa teo anivon’ny “DB” raha tsy hiresaka afa-tsy ny famolavolana ny Lalàna mifehy ny Tetibolam-panjakana sy ny CMBMT – CBMT – CDMT…

Feno fankasitrahana tanteraka ny Tale teo aloha tamin’ireo ezaka maro sy ny asa vitany ny DGBF iray manontolo. Ary faly miarahaba sy mirary soa ny Tale vaovao hahavita be sy hahomby hatrany amin’ny adidy aman’andraikitra lehibe izay ho sahaniny indray.

 

Est-ce que cela a été utile?

Tags: No tags

Leave A Comment