Ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola dia tsy mitsahatra mampiroborobo ny fangaraharana ara-tetibola sy ny fampandraisana anjara ny Olom-pirenena. Tafiditra ao anatin’izany indrindra ny famolavolana sy famoahana tsy tapaka ny boky “Tetibola ho an’ny Olom-pirenena” izay fintin’ny Lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana ho an’ny taom-pikatrohana.
Izany no natao dia mba hanamorana ny fisitrahan’ny Olom-pirenena ireo torohay mahakasika ny Tetibola izay raketin’ny Lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana amin’ny alalan’ny voambolana ara-teknika tsotra sy mazava ho an’ny rehetra.
Tsara tsindriana fa zo sy adidin’ny olom-pirenena tompon’andraikitra ny misitraka ny torohay sy mandray anjara amin’ny zotram-panatanterahana ny tetibolam-panjakana.
Marihina fa andiany faha-19 ity boky « Tetibola ho an’ny Olom-pirenena » ity, ary mifanaraka amin’ny Lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana ho an’ny taona 2024. Natonta amin’ny teny malagasy sy teny frantsay izy ity ary havoaka amin’ireo tranokala isan-karazany sy haely amin’ireo toerana misokatra ho an’ny besinimaro (tranombarotra lehibe, toeram-pianarana, tranom-boky maro samihafa, …).
Antoky ny Fanjakana tsara tantana sy fangaraharana ho an’ny olom-pirenena mandoa hetra sy ny mpiara-miobon’antoka ny famolavolana ity « Tetibola ho an’ny Olom-pirenena » ity.
MINISITRY NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA
RABARINIRINARISON Rindra Hasimbelo
Voir tous les documents : Budget des Citoyens
Leave A Comment