Misokatra ny Ivon-toeram-pikarakarana fanonerana saram-pitsaboana an’ireo mpiasam-panjakana misotro ronono eo Ankazomanga

Mitohy hatrany ny ezaka fanatsarana ny Sampandraharaha mikarakara ireo mpiasam-panjakana izay efa misitraka ny Fisotroandronono. Araka izany, nosokafana omaly, 17 desambra 2024, tamin’ny fomba ofisialy ny Ivon-toeram-pikarakarana fanonerana saram-pitsaboana an’ireo mpiasam-panjakana misotro ronono (CTRFMP) Ankazomanga. Lanonana izay notontosaina teo ambany fiahian’ny Tale Jeneralin’ny Fitantanam-bola sy ny Tetibola mpisolo toerana. Notarihan’ny Lehiben’ny Sampandraharaham-paritry ny Tetibola Analamanga, ary notronon’ireo Lehiben’ny Sampandraharaha isan-tsokajiny sy ny mpiara-miasa rehetra eny an-toerana.

 

Izao tetikasa izao dia tafiditra indrindra ao anatin’ny drafi-pandaharan’asan’ny SRB Analamanga ho an’ny taom-piasana 2024. Anisan’ny antony nanokafana ity Ivon-toerana ity ny fanatanterahana ireo andry roa izay napetraky ny Filoham-pirenena : ny fanavaozana ny rafi-pitantanana ny asam-panjakana sy ny ady amin’ny kolikoly ary ny fijerena ny fampandrosoana ny maha olona. Araka izany, dia hitombo ny fotoana handraisana ireo mpila raharaha no hitombo ihany koa ny toerana hafahana mandray azy ireo.

 

Raha ny antontan’isa no resahana dia mahatratra roanjato (200) hatramin’ny efajato (400) olona isan’andro no isan’ireo olona raisina ao amin’ny CTRFMP Ambohidahy. Ny CTRFMP Ankazomanga dia mandray olona telopolo (30) ka hatramin’ny dimy amby telopolo (35) isan’andro hatramin’izay nisokafany ny jolay farany teo.

Ho hatsaraina araka izany ny fomba fandraisana olona amin’ireo ivon-toerana roa ireo. Misokatra isan’andro ny CTRFMP Ankazomanga sy Ambohidahy ka ny ora fandraisana olona dia mizara toy izao :

✅ VISA : 08 ora maraina hatramin’ny 04 ora tolakandro,

✅ RFM / Ambohidahy : 11 ora atoandro hatramin’ny 04 ora tolakandro,

✅ Ankazomanga : 08 ora maraina hatramin’ny 01 ora atoandro.

 

 

Est-ce que cela a été utile?

Tags: No tags

Leave A Comment