Ao anatin’ny fampiharana ny Politika ankapoben’ny Fanjakana nambara teny amin’ny Antenimieram-pirenena tamin’ny 16 Aogositra 2019 sy ny Antenimieran-doholona tamin’ny 20 Aogositra 2019, izay entina manatanterahana ny vina ho amin’ny Fisandratan’i Madagasikara (IEM), ny Governemanta dia nankatoa ny politika matotra ara-bola mifototra amin’ny laharam-pahamehana amin’ny filan’ny vahoaka. Ny volavolan-dalana mikasika ny teti-bolam-panjakana 2020 dia ahitana taratra izany. Omena lanjany bebekokoa ny fandaniana miatraika mivantana amin’ny vahoaka, ny fotodrafitrasa sy ny sehatra sosialy. Tahaka izany koa ny fametrahana ny fahaiza-mitantana eto amin’ny firenena, indrindra fa ny ara-bola.
Ny fandaniana rehetra amin’ny fandaharanasa fampiasambolam-panjakana dia mahasehaka ny 49.2 % ny teti-bola, izany hoe 5 048, 3 miliara Ariary izay misy fiakarana 31.2 % raha mitaha amin’ny LFR 2019. Nanokanana vola betsaka ny fametrahana ireo fotodrafitrasa toy ny lalana, ny angovo, ny toho-dranom-pamokarana, ny fizahantany, ny sosialy sy toekarena, ny harena an-kibon’ny tany. Ny asa fanarenana na fanamboarana lalana, ny fananganana tanàna vaovao, ny fanamboarana tetezana dia ao anatin’ny vinavinan’asa avokoa.
Nojerena manokana ary hanokanana fampiasam-bola goavana ihany koa ny fahazoan’ny vahoaka angovo maharitra, ny fametrahana ny foibena herinaratra azo avy amin’ny herin’ny masoandro. Nomena lanja manokana ihany koa ny sehatry ny fandriam-pahalemana sy ny filaminana mba hanatsarana ny fiarovana ireo faritra anjakan’ny tsy fandriampahalemana. Ambonin’izany ihany koa ny fanampiana ara-bola sy ara-pitaovana ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana, izay efa misy ny Goverinora amin’izao fotoana izao. Raha ny fandaniana amin’ny karama ho an’ny taona 2020 kosa no jerena dia mitentina 2 700 miliara Ariary izany. Ny vola natokana ho an’ny famindram-bola sy fanampiana ara-bola kosa dia nihena 20.5 % raha mitaha amin’ny LFR taona 2019 izany hoe 936.9 miliara Ariary raha 1 179.0 miliara Ariary.
Ho eo amin’ny lafiny fampidiram-bola indray dia nasiana fiovana eo amin’ny fidiran-ketra dia hiakatra 21.0 % raha miohatra ny tamin’ny taona 2019. Izany dia hampiakatra 27.39 ny hetra anatiny sy 13.9 % ny eny anivon’ny fadintseranana. Izany dia mifandraika amin’ny fiakaran’ny taha tsindri-ketra ho 11.57 % raha 0.8 isa raha 10.7% teo aloha. Ny vola miditra ivelan’ny hetra kosa dia hiakatra 95.9 %. Raha 102. 2 miliara Ariary izany dia lasa 200.3 miliara Ariary amin’ny 2020. Azo avy amin’ny fampidirina ny fitantanana ny kaonty ara-barotra ao anatin’ny tetibola ankapobeny, izany fikarana izany.
Eo amin’ny vina ara-toekarena, ny Governemanta dia nametraka tanjona ny ampitombo ho 5.5 % ny tahan’ny harikarena faobe ho amin’ny taona 2020, raha 5. 2 % no nanombanana izany tao amin’ny LFR 2019. Heverina ho 6. 2 % ny tahan’ny fisondrotry ny vidim-piainana amin’ny fotoana ifaranan’ny fampiasana ny tetibolam-panjakana. Ny toedanja ankapobeny dia mijanona hanana ambim-bava ho an’ny taona 2020 izay 173. 1 tapitrisa DTS, ary ahitana fihatsarana + 62.1 tapitrisa DTS miohatra amin’ny 2019.
Misokatra ho an’ny rehetra ny varavarana ary vonona ny hifampidinika sy hiady hevitra amin’izany. Manaja ny fangaraharana amin’ny ity Volavolan-dalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana 2020 ity ny minisitera.
- Projet de loi N°005/2019 Du 30 octobre 2019 Portant Loi de Finances pour 2020 VM Télécharger
- Projet de loi N°005/2019 Du 30 octobre 2019 Portant Loi de Finances pour 2020 VF Télécharger
- TOME 1 Document de performance Annexe a L’Ordonnance N°005/2019 DU 30 OCTOBRE 2019 PORTANT LOI DE FINANCES POUR 2020 Télécharger
- TOME 2 DOCUMENT BUDGÉTAIRE ANNEXE AU PROJET DE LOI N° 005/2019 DU 30 OCTOBRE 2019 PORTANT LOI DE FINANCES POUR 2020 Télécharger
- TOME 3 CADRE A MOYEN TERME ANNEXE AU PROJET DE LOI N° 005/2019 DU 30 OCTOBRE 2019 PORTANT LOI DE FINANCES POUR 2020 Télécharger