Tsy niolonolona fa nandray anjara mavitrika tamin’ny Asa Tagnamaro ihany koa ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, tamin’ny Sabotsy 20 Oktobra 2019 lasa teo. Mpiasa maro avy amin’ity departemanta ity no nirotsaka an-tsehatra nanatanteraka izany teny amin’ny Tranoben’ny Teti-pivoarana Anosy. Tao anatin’ny fitsikitsikiana sy fiaraha-mientana no nanatontosan’izy ireo ny asa.
Tsy vao izao moa no naneho ny fiaraha-mihetsika tahaka izao ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, fa efa nanohana ny antso foana hatrany am-boalohany. Ny Sekretera Jeneralin’ny Ministera, Raoelijaona Bien Aimé no nitarika ny hetsika ary niara-nisalahy tao anatin’izany ny mpiasan’ireo foibem-pitondrana sy fitantanana rehetra ao anatin’ny Minisitera.
Tsy ny teto amin’ny foibe ihany no nanao ny asa fanadiovana fa ireo sampana tany amin’ny Faritra koa dia nifanome tanana tahaka izany. Marihina fa andiany fahavalo ity hetsika natao tamin’ity Sabotsy ity.