Torolàlana Famakiana ny Lalàna mifehy ny Fitantanam-bolam-panjakana 2024

Ny Lalàna mifehy ny Fitantanam-bolam-panjakana dia anisan’ireo Lalàna sarotra indrindra, na eo amin’ny endriny na eo amin’ny votoatiny. Izany Lalàna izany dia voafehin’ny Lalàna Fehizoro laharana faha 2004-007 tamin’ny 26 jolay 2004 mikasika ny Lalàna mifehy ny Fitantanam-bolam-panjakana (LOLF).

Noho ireo sehatra maro izay sahaniny dia mirakitra fampahalalana maro, navondrona anaty tahirin-kevitra makadiry izay misy takelaka anarivony ny Lalàna mifehy

ny Fitantanam-bolam-panjakana. Ho fanampin’izany, maro ny teny saro-pantarina sy miavaka ao anatiny ka mahatonga azy ho sarotra vakiana. Izany fiavahany sy fahasarotany izany no antony namolavolana izao “Torolalana” izao mba ahafahana manamora ny famakiana azy.

Mizara telo (3) ity torolalana ity :

  • Ny fizarana voalohany dia ny firafitra ankapoben’ny Lalàna ;
  • Ny fizarana faharoa dia manondro hoe aiza ho aiza ao anaty boky no ahitana ireo fampahalalana na torohay, amin’ny alalan’ny fanontaniana izay mifandraika amin’izany ;
  • Ny fizarana fahatelo  dia manolotra ny dikan’ireo litera sy marika isan-karazany (kaody na marika famantarana) ary ny tsara ho fantatra rehetra hanamora ny famakiana ny Teti-bolam-panjakana.

 

Izany hetsi-piniavana izany dia tafiditra ao anatin’ny politikan’ny fanamafisana ny fangaraharahana eo amin’ny fitantanam-bolam-panjakana izay voizin’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola.

Maneho etoana ny fisaorana ho an’ireo rehetra izay nandray anjara na mivantana na ankolaka tamin’ny famolavolana an’ity torolalana ity ny tenako.

 

MINISITRY NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

RABARINIRINARISON Rindra Hasimbelo

 

Télécharger le document

Voir tous les documents : Guide de Lecture LF

Est-ce que cela a été utile?

Tags: No tags

Leave A Comment