Mandray anjara lehibe ao anatin’ny fanatanterahana ny Politika ankapaoben’ny Fanjakana ny fametrahana ny rindrambaiko AUGURE, eo amin’ny sehatra fitantanandraharaham-panjakana. Tsapa tokoa mantsy fa ny tanjona izay iompanan’io rindrambaiko io dia ny fitantanana mahomby sy mangarahara ireo loharanonkarena mifototra amin’ny olona amin’ny alalan’ny tontolo ara-kajy mirindra sy ny nomerika.
Araka izany dia vina roa (02) lehibe ao anatin’ny Politika ankapoben’ny Fanjakana no sehatra ivelaran’ny rindrambaiko AUGURE dia ny “Ady atao amin’ny Kolikoky” sy ny “Fametrahana ny tontolo ara-kajy mirindra” na “digitalisation” ao anatin’ny sehatry ny fitantanana ny mpiasampanjakana. Marihana fa izany dia singa lehibe ao anatin’ny fanatanterahana ireo lahasa maro entina manatsara ny fiainan’ny mponina sy ny ambompom-pirenena.
Ao anatin’ny firosoana amin’izay fomba fijery izay dia nisy ny atrikasa ny 20 febroary lasa teo, natao handinihana ny lalantsaina tsara apetraka rehefa hametraha ny fitaovana antsoina hoe “Gestion Prévisionnelle des Effectifs, des Emplois et des Compétences” na GPEEC. Fitaovana izay entina hametrahana ny mpiasampanjakana tsirairay amin’ny toerana mendrika ny maripahaizany sy ireo fahaiza-manaony, ary entina hamaritana ihany koa izay fanatsarana ny fahaiza-manaony sy ny isan’ny mpiasampanjakana mifanaraka amin’ny iraka tokony ho tanterahan’ny sampandraharaham-panjakana tsirairay.
Zava-dehibe tokoa moa ny fipetrahan’io fitaovana io ho an’ny fahatsaran’ny fitantanana ny fandaniana ho an’ny karama sy ny fisotroandronono ao anatin’ny tetibolam-panjakana izay anompanana ampahany betsaka tokoa ao anatin’ny fandaniambolam-panjakana amin’izao fotoana izao, satria io amin’ny ankapobeny no lalana ahafahana mitsirika ny tsy fahatomombanana rehetra izay mitarika amin’ny fandoavam-bola tsy ara-drariny eo amin’ny fitantanana ny mpiasampanjakana.
Ny tetikasa AUGURE moa dia miara-miasa akaiky amin’ireo mpiara-miombona antoka ara-teknika sy ara-bola toy ny Delegasion’ny Vondrona Eropeana sy ny Banky iraisam-pirenena, ary ny “Unité de Gouvernance Digitale” (UGD).
Leave A Comment