Fikaonandoham-paritra momba ny Tetibolam-panjakana Faritra Analamanga

 

Teto amin’ny Faritra Analamanga no namaranana ny Fikaonandoham-paritra momba ny tetibolam-panjakana. Teny amin’ny ENAM Androhibe no nanatanterahana izany androany Alakamisy faha-18 Febroary 2021. Efa tapitra nahavita ny azy avokoa ny Faritra rehetra manerana ny Nosy ary nahitana fahombiazana ny fanatanterahana izany ho mariky ny fampandrosoana sy fitsinjarana ara-paritra mirindra. Paikady ahafahana mijery ifotony ny hetahetam-bahoaka sy ny filàny maika ny nanatanterahana azy io.

Jerena manokana amin’ity Fikaonandoha ity ny mety ho fanitsiana entina amin’ny Tetibolam-panjakana 2021 sy ny fandrafetana ny Tetibolam-panjakana 2022. Ao anatin’izany no handraisana ireo soso-kevitra fampandrosoana avy amin’ireo ao anatin’ny fiarahamonim-pirenena, mpahay toekarena, Parlemantera, ireo vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana tahaka ny Ben’ny tanàna. Nafana ny ady hevitra, ary samy namoaka ny hetahetam-pony mba hampandroso ny faritra misy azy ny mpandray anjara rehetra.

Aravina ny soso-kevitra ary aroso hatao lasitra ireo hevitra rehetra avy any amin’ny faritra tsirairay. Atambatra izany, dia ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola no mijery ny ho enti-manana amin’ny fanatanterahana azy satria misy fetra ihany moa ny vola eo am-pelatanana izay tsy azo odian-tsy hita ary tsy maintsy hajaina. Ny tanjona anefa dia ny hamaliana araka izay tratra ny hetahetam-bahoaka ka atao avokoa ny fakan-kevitra rehetra.

 

Ny Sampandraharaha-paritr’Analamanga misahana ny Fitantanam-bola moa no niandraikitra ny fikarakarana izany ary nanome voninahitra ity fihaonana ity ny Tomponandraikitry ny vakim-pileovan’Antananarivo (Prefet), ny Tale Jeneralin’ny Foibem-pitondrana Ankapobe misahana ny Fitantanam-bola sy ny Raharaha Ankapobeny, ny solotenan’ny Governoran’Analamanga, ny solotenan’ny Ben’ny tanànan’Antananarivo.

CBR MATSITRA AMBONY

“Fikaonandohan-paritry ny Teti-bolam-panjakana 2021”

Sehatra ifampidinihana momba ny “Fikaonandohan-paritry ny Teti-bolam-panjakana 2021” niarahana tamin’ireo mpikirakira volam-panjakana, tao Atsimo Andrefana, Analanjirofo, Alaotra Mangoro, Matsiatra Ambony ny 15 sy ny 16 febroary lasa teo. Sehatra ifampidinihana nafahana nandinika sahady ny Teti-bolam-panjakana asiam-patsiana ho an’ity taona 2021 sy himbanjinana sahady ny Lalàna hifehy ny Teti-bolam-panjakana 2022.

V7V

Fikaonandohan-paritry ny Teti-bolam-panjakana 2021

Ny Faritra Vakinankaratra, Vatovavy Fitovinany, Alaotra Mangoro, Boeny, Bongolava, SAVA, Betsiboka, Itasy, Atsinanana, Anosy no nanatontosa ny sehatra ifampidinihana momba ny “Fikaonandohan-paritry ny Teti-bolam-panjakana 2021 niaraka tamin’ireo tomponandraikitra isan-tokony, mpikirakira volam-panjakana ao an-toerana, ny 10 hatramin’ny 15 febroary lasa teo.